Russian ambassador shot in Ankara, Turkey

Russian Foreign Ministry confirmed that Russian ambassador to Turkey was shot and “seriously wounded” after a gunman stormed into a building where the official was attending a Russian photo exhibition.


“Olona tsy fantatra no nitifitra nandritra ny hetsika ho an'ny daholobe tao Ankara. Vokany, voatifitra ny masoivoho Rosiana any Tiorkia”, hoy ny mpitondra tenin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Rosiana Maria Zakharova tamin'ny mpanao gazety.

Araka ny vaovao farany avy amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Rosiana dia tsaboina eny an-toerana izao i Karlov ary tsy nentina tany amin'ny hopitaly any an-toerana, araka ny voalaza tetsy aloha.

Ny masoivoho, Andrey Karlov, dia naratra rehefa saika hanao lahateny momba ny fanokafana ny fampirantiana "Rosia eo imason'ny Tiorka."

Miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera ankehitriny ny sary voalaza fa mampiseho ilay nahavanon-doza mitondra basy. Mandefa sary ihany koa ireo mpampiasa izay lazainy fa mampiseho ilay masoivoho Rosiana nitsirara tamin'ny tany rehefa avy voatifitra.

Ilay nahavanon-doza, izay nanao akanjo sy karavato, dia niantsoantso hoe 'Allahu Akbar' ('Andriamanitra lehibe' amin'ny teny Arabo) nandritra ny fanafihana, hoy ny tatitry ny AP, mitanisa ny mpaka sary azy manokana.

Nilaza teny rosiana maromaro ihany koa ilay mpanafika, araka ny filazan'ny masoivohom-baovao, ary nanimba ny sary maromaro tao amin'ny fampirantiana.

Nilaza ny fampielezam-peo Tiorka NTV fa olona telo hafa koa no naratra tamin'ny fanafihana ny ambasadaoro.

Matin'ny Hery manokana Tiorka ilay mpanafika, hoy ny tatitry ny masoivohom-baovao Turkish Anadolu. Rosiana Interfax, mitanisa loharano iray ao amin'ny tafika Tiorka, dia manamafy ihany koa fa neutre ilay jiolahy.

Ny gazety Hurriyet, mitanisa ny mpanao gazety azy manokana, dia milaza fa nanapoaka basy fampitandremana teny amin'ny rivotra ihany koa ilay nahavanon-doza talohan'ny nikendry an'i Karlov.

Araka ny fampitam-baovao voaray, dia nanodidina ny trano nitrangan’ny fanafihana ny mpitandro filaminana ary eo am-pikarohana ilay jiolahy.

Voalazan’ireo nanatri-maso fa misy polisy manao fifampitifirana amin’ilay olon-dratsy.

Leave a Comment